Le lamba

3247 mots 13 pages
NY FITAFIN'NY MERINA (antananarivo)

ANTANANARIVO
Ny lamba no fitafiana malagasy nentim-paharazana ary tsy nisy nisaraka taminy teo amin'ny fiainana manontolo. Ny lamba fitafy Malagasy dia azo sokajiana anisan'ny zavakanto nentim-paharazana ihavahan'ny Malagasy.

Tamin'ny andron'ny Andriananamponimerina dia ny fomba fiankajon'ny vehivavy merina dia ny " tohitena".
Manao lamba "landy" no tena mahavahana an'izy ireo.
Ny lehilahy kosa dia ny "malabary" 0 kiff | Ajouter un commentaire - 3 commentaires |
Partager ▼
# Posté le samedi 06 octobre 2007 16:31
Modifié le vendredi 09 novembre 2007 11:11
Ny fitafin'ny Merina >>> Ny LAMBA

Ny lamba dia nifatohan'ny saina sy ny fon'ny Malagasy tokoa satria nisasarany ny fanamboarana azy, ary kolokoloiny fatratra izy io. Ny lamba hono raha vao dia rehareha , raha madio dia voninahitra , raha tonta dia adidy, raha rovitra dia andraikitra...

Misy efatra karazana ny lamba
Voalohany , NY LAMBA SARIKA , kely fa tsy mivitrana nefa tsara tenona, lamban'ny tovovavy io ka nahatonga ny hoe : “ Raha tovovavy tsy endrehin-damba sarika , dia tsy adidiko tsy adidin-dreniny”. Tsy adidin'izay mijery ny hiteny aminy hoe : “itafio tsara ny lambanao” ary tsy adidin-dreniny koa satria efa nisahirana nanenona ny lamba izy , fa ny tenan'izay mitafy no tsy misampina azy araka ny tokony ho izy.

Faharoa, ny TOKAN DELA , lamba tsy mivitrana , an'ny vehivavy lehibe satria asampina eo an-tsoroka fotsiny mandrakotra ny faritra ambony amin'ny tena.

Fahatelo , NY AMBAKILOHA na KELY ILA, izay lamba mivitrana fa kely sy lehibe , atao hoe AMBAKILOHA, satria lamba lava sy fohy no akambana ka mitohy ny ila loha lamba mba hampitovy ny halavany. Rehefa mitafy azy dia ny ilany mitohy no atao ambony. Misy zaitra roan a telo ny AMBAKILOHA ary atao hoe TOHILOHA koa noho izy notohizina ny ila loha-lamba mba hitovy halavana. Raha itaizana zaza ny lamba tohiloha dia voasintona matetika ka mora mivaha ireo zaitra maromaro amin'ny

en relation

  • Le feu
    358 mots | 2 pages
  • Truk ki existe pas
    375 mots | 2 pages
  • Etats de veracruz et gerreroo au mexique
    387 mots | 2 pages
  • Adjectives et couleurs en polonais
    319 mots | 2 pages
  • Refuge et bouddhicita
    295 mots | 2 pages
  • Plan detaille reseau de bus 2015 2016
    2188 mots | 9 pages
  • Etude inde
    1229 mots | 5 pages
  • chou
    285 mots | 2 pages
  • Le feu
    331 mots | 2 pages
  • Le feu
    631 mots | 3 pages
  • Le feu
    308 mots | 2 pages
  • Le feu
    1149 mots | 5 pages
  • dossier
    286 mots | 2 pages
  • La lambada
    402 mots | 2 pages
  • Le feu
    902 mots | 4 pages