Helo

4184 mots 17 pages
Alatsinainy 28 marsa 2011

NY HELO SY NY LANITRA: hafatra ho anao

Ny voninahitra dia ho an’Andriamanitra irery ihany.

Ity “article” soratako androany ity dia fitantarana ny fijoroana vavolombelona izay nataona tovolahy iray (Yves no anarany) tao @ fiangonana misy anay, omaly alahady 27 marsa 2011.
Tsy dokam-barotra velively ho an’izany fiangonana izany sanatria na hoe fiantsoana anareo hiala @ fiangonana misy anareo ka hiditra ao @ fiangonana hivavahanay na koa fanaratsiana fiangonana hafa no anton’izao fa Jesosy mihitsy no nanafatra ka manatanteraka izany hafany izany izahay ankehitriny.

Tsy tantara foronina izy ity sanatria fa tena zavatra nihatra sy niainan’i Yves ary nataon’iTompo taminy mba hilazan’Andriamanitra ny tokony hataontsika rehetra ety an-tany amin’izao fotoana efa hahatongavan’i Jesosy izao, izay tsy ho ela intsony.

Ny fanahin’Andriamanitra anie hiasa ao anatinareo, hendresy lahatra anareo ary koa hanananareo faharetana eo am-pamakiana izao hafatra izao.

-----------------

Volana vitsivitsy talohan’ny nisehoan’i Jesosy tamin’i Yves, dia nanao fahagagana lehibe taminy Andriamanitra: Misy lesona sahady eto hoe “rehefa manao fahagagana tsy takatry ny sain’olombelona aminao Andriamanitra dia tadidio fa misy “mission” tian’Andriamanitra hotanterahinao.

Voan’ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny “moto” izy tamin’ny faraparan’ny taona 2010. Voadona mafy ny lohany tamin’izany. Nentina tany amin’ny dokotera izy ary natao ny scanner mba hahalalana izay tena zava-misy ao anaty lohany ao.

Fantatra tamin’izany ary fa nisy rà niandrona tao, izay voalazan’ny dokotera fa tsy maintsy esorina satria mety hiteraka fahafatesana ho azy ao anatin’ny andro maromaro. Nilaza mihitsy aza ilay dokotera hoe “efa “phase finale” no mahazo anao ry Yves ka tsy maintsy ho didina ianao satria mety ho faty ianao raha tsy atao haingana izany”.

Marihina aloha fa olona mbola tanora i Yves ary be hanihany be. Mino sy matoky ny herin’Andriamanitra eo amin’ny

en relation

  • Truk ki existe pas
    375 mots | 2 pages
  • Etats de veracruz et gerreroo au mexique
    387 mots | 2 pages
  • Adjectives et couleurs en polonais
    319 mots | 2 pages
  • Refuge et bouddhicita
    295 mots | 2 pages
  • Plan detaille reseau de bus 2015 2016
    2188 mots | 9 pages
  • Vocabulaire japonnais
    296 mots | 2 pages
  • chou
    285 mots | 2 pages
  • Dir en grey
    327 mots | 2 pages
  • asimbonanga
    496 mots | 2 pages
  • Discours sur la mort
    916 mots | 4 pages
  • Leçon de japonais
    366 mots | 2 pages
  • Malagache
    367 mots | 2 pages
  • dossier
    286 mots | 2 pages
  • histoire du droit
    47160 mots | 189 pages
  • dictionnaire B F
    932 mots | 4 pages